- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversAnalavory : Dahalo telo maty voatifitry ny zandary

Analavory : Dahalo telo maty voatifitry ny zandary

Tsy nitsitsy mihitsy ireo zandary tato ho ato izay

Teo am-pizarana ireo hena avy tamin’ireo omby halatra mihitsy ireto andian-dahalo ireto no tojo ireo zandary mpanao fisafoana. Raikitra ny fifandonana. Tsy nanaiky mora nilavo lefona mantsy ireo olon-dratsy fa nanohitra tamin’ny alalan’ny fitaovam-pidiana teny am-pelan-tanan’izy ireo. Vokany, telo tamin’ireo dahalo no lavo. Tranga niseho tao Amparaky, kaominina Analavory ny faran’ny herinandro teo.

Raha ny fampitam-baovao azo dia nitrangana asan-dahalo narahana halatr’omby tao amin’io tanana io ny faha-13 ny volana desambra lasa teo. Nampandrenesina avy hatrany ny zandary ary tonga haingana teny an-toerana nanantanteraka ny fanarahan-dia. Tamin’io andro io, telo tamin’ireo omby very no hita, raha very teo amoron-dranon’i Sakay ny dian’omby ambiny. Tsy nisy azo natao intsony moa teo fa dia nody maina, niaraka tamin’ireo omby sisa navelan’ireo olon-dratsy ireo mpanara-dia.

Ny alahady lasa teo, nisy nampandre ireo mpitandro filaminana fa nahatsikaritra andian’olona nizara hena manta, tao amin’ny tanana antsoina hoe Marohazo, any amin’iny distrikan’Analavory iny ihany. Nidina avy hatrany teny an-toerana ny zandary miisa folo, ary nifanehatra tsara tamin’ireo olon-dratsy ireto, izay mbola teo am-pizaràna ireo « rembin’izy ireo ». Vantany vao nahita ireo mpitandro filaminana ireo dahalo dia nitsoaka saingy voahodidina ka tsy afa-niala ary niezaka nitifitra. Nitatatata ny basy tamin’izany ary io nandavo olona telo avy tamin’ireo olon-dratsy io. Mbola nisy olona iray tafatsoaka tao anatin’izany fifandonana izany ary mbola eo am-pikarohana izany ireo mpitandro filaminana amin’izao. Taorian’ny fitsirihana nataon’ireo tompon’andraikitra moa dia natolotra ny fokonolona ho alevina sy omena ny havany ireto olona namoy ny ainy, tsy afa-manohy intsony ny asa ratsiny ireto. Marihana fa mbola tavela teo ireo hena nozarain’izy ireo, ary mbola nahitàna omby anankiroa nifatotra tsy lavitra teo. Mbola mitohy moa ny fanadihadiana any an-toerana

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici