Lehilahy iray, manodidina ny 40 taona tany ho any, no namoy ny ainy tamin’ny fomba nampiahiahy teny amin’iny faritra Itaosy iny, omaly hariva. Tranga iray, izay nitondra sahotaka teo amin’ireo mponina teny amin’ny manodidina. Araka ny fitantaran’ireo nanatri-maso teny an-toerana mantsy dia tokony ho tamin’ny telo ora tolakandro teo ho eo ity rangahy ity no tonga nangataka rano teo amina mpivarotra iray teny an-toerana. Hafahafa ihany ny fihetsik’ity rangahy ity, izay raha ny voalaza dia hoe toa olona marary izany. Nanampy izany rahateo ny fahitàna « sparadrap » teny amin’ny tanany, izay toa noheverin’ny maro fa mbola eo am-panarahana fitsaboana. Tokony ho tamin’ny enina ora hariva teo ho eo anefa dia somary nikohaka ary nivoaka faroratra ny vavany, araka ny fitantaran’ireo nanatri-maso hatrany. Fotoana fohy taorian’izay dia namoy ny ainy ilay rangahy. Eo anatrehan’ity resaka fiparitahan’ny valan’aretina pesta eto amintsika ity dia toa tsy tairina mihitsy ny olona. Indrindra moa fa ho nisy tranga mampiahiahy tahak’izao. Vetivety teo dia niparitaka ny resaka fa hoe nisy olona matin’ny « pesta » teo amin’ny dalles Itaosy. Tonga teny an-tsofin’ireo pôlisy misahana iny faritra iny izany ka dia nidina nijery ifotony ny zava-nisy teny an-toerana izy ireo niaraka tamina mpitsabo. Raha ny fanazavàna nomen’izy ireo, dia voamarina fa tsy aretina « pesta » no nahazo ity lehilahy fa noho ny tahan’alikaola ambony be tao aminy. Nalain’ireo tompon’andraikitra moa ny razana ary nentina avy hatrany tany amin’ny tranom-paty.
m.L