Herintaona nahafatesan’ny mpanakanto isan’ny manana ny lazany i Dede Fenerive, ny 01 Jolay 2017, dia mivoaka ny rari-kira nataon’ireo zanany dimy mianadahy ho fanohizana ny kanto nataon’ny rain’izy ireo, izay tarihan’ny zanany vavimatoa Rabemanantsoa Vola Sandra nampitondrain’izy ireo hoe “Dede Fenerive Junior” ny tarika. Efa ela no mpiara-mihira tamin’ny rainy ity zanany vavimatoa ity, saingy manampy azy ao anatin’ny tarika Dede Fenerive Junior ireo zandriny : Nanah – Rina – Thini – ary Koukous. Misy hira valo ao anatin’ity rari-kira vaovao navoakan’izy ireo ity, izay ireo hira nahafantarana ny rain’izy ireo avokoa ireto navaozin’izy ireto, isan’izany : ny “Amito Fafako” – ny “Hasambarana” – ny “Mbola ho avy” – … ny “Mijoro ny tsara”. Efa hita eny amin’ny mpivarotra mahazatra fivarotana rari-kira ity sangan’asan’izy ireo ity. Nomarihan’ny vavimatoan’i Dede Fenerive, Rabemanantsoa Vola Sandra, fa vonona hatrany izy ireo hitondra avo ny lazan’ny mozika malagasy avy aty Atsinanana nampalaza ny rain’izy ireo.
Malala Didier