- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversDelegasiona Katolika : Notafihan’ny dahalo teny amin’ny RN25

Delegasiona Katolika : Notafihan’ny dahalo teny amin’ny RN25

Tonga soa aman-tsara tety Toamasina ihany ireo delegasion’ny vovonana katolika zokiny; izay niatrika ny fihaonamben’izy ireo tany Mananjary, ny 30 aogositra hatramin’ny 03 septambta lasa teo. Raha nandeha tsy nisy na inona na inona ny Dia nihazo an’i Mananjary, dia tsy izany anefa no nahazo azy ireto, fa vao niala tsy nisy 500m ny barazin’ny zandary tao Irondro lalam-pirenena faha-25 ny fiara nitondra ireto delegasiona ireto tokony tamin’ny 04ora maraina, dia tora-bato variraraka no nahazo azy ireo. Niezaka ny nandeha mafy niala izany ny mpamily ireto fiara nitondra ireto delegasiona avy eto Toamasina, satria tsy nisy ny sakana nandritra izay ary tsy nisy koa andian’olona nivoaka namonjy ny arabe tara ihany koa, koa vokany tsy nisy nanaovan’ny andian- dahalo herisetra ireto delegasiona, saingy ny fitaratry ny fiara no vaky avokoa ny ankamaroany ary mpandeha iray no naratra voan’ny vato sy potiky ny fitaratra. Ny tena nanaitra ireto delegasion’ny vovonana lehiben’ny fiangonana katolika Toamasina ireto, dia tsy nisy nanakana azy ireo mihitsy ny zandary mpanao fisavana ny lalam-pirenena faha-25; tsy lavitra niala ny barazin’ny zandary ihany koa no nitrangan’ity tora-bato variraraka ity. Manahy firaisana tsikombakomba eo amin’ireo zandary miasa amin’ny lalam-pirenena sy ny andian-dahalo noho izany ireto delegasion’ny fiangonana katolika avy nivory ireto. Ankoatra izay,  mikasika ny fiainam-pirenena ankehitriny amin’ny fisian’ny tsy filaminam-bahoaka, sy ny fahamafisan’ny fahantran’ny Malagasy, ary ny be marenin’ny fitondram-panjakana, no tena nodinihan’izy ireo nandritra ity fihaonana tany Mananjary ity. Ho hita eo indray ny ho tohin’ity raharaha ity…

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici