- Publicité -
dimanche, juin 8, 2025
AccueilFaits-DiversDelestazy faobe omaly : Nirehitra ny fitaovan’ny Jirama Ambohimanambola

Delestazy faobe omaly : Nirehitra ny fitaovan’ny Jirama Ambohimanambola

« Nisy fipoahana ny fitaovana mpanapaka herinaratra, teo anivon’ny Jirama Ambohimanambola. Niteraka tsy fahampiana 25 mégawatt tamin’ny herinaratra ; izay nampiasaina teto Andrenivohitra izany », izay ny fanazavana ôfisialy avy amin’io orinasam-panjakana io omaly. Ny vokatr’izany olana ara-teknika izany, dia faritra maro teto Andrenivohitra no indray niaina tao anatin’ny haizina ny alin’ny alatsinain’ny pentekosta ary nitohy ny marainan’ny talata izany. Niteraka hatezerana teo amin’ny mpanjifa marobe, satria ny alina mba vita ihany, saingy ny maraina kosa, teo amin’ny ora fiomanana hiasa mihitsy no tsy nandeha ny herinaratra. Naharitra adim-pamantaranandro maro izany ary tsy vitan’izay aza fa hatramin’ny rano koa, tany amin’ny faritra sasany dia tapaka. Sady tsy nanao volo ny vehivavy no tsy nisasa ny lehilahy raha handeha hamonjy toeram-piasana. Ny sakafo, voatery nihinana teny amin’ny toeran-kafa satria sady tsy nisy jiro no tsy nisy rano. Vao tamin’ny herinandro ny filoha no nanasa ny sain’ny olona tamin’ny « fotoam-bita » ao anaty tranon-kala fa tsy olana goavana ny Jirama satria efa misy ny vahaolana noraisina momba izany. Saingy indrisy, amin’ny andro fety mihitsy no nitranga indray ny haizina sy ny tsy fisian’ny rano. « Faux problème » tokoa, araka ny filazany…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici