Marobe ny olona mitaraina noho ny fiverenan’ny delestazy eny amin’iny faritr’Ankadifotsy iny. « Hatramin’ny asabotsy teo dia tapaka adiny telo ka hatramin’ny adiny enina ny herinaratra ety aminay. Atahorana ny hiverenan’ny tsy fandriampahalemana satria haizina be ny anaty elakelan-trano rehetra any, efa fantatra anefa fa ity toerana ity dia mafana hatrizay » raha araka ny fanazavan’ny olona iray monina eny an-toerana. Olon-kafa indray no nilaza fa misy mizana tsindrian’ila momba ity delestazy eny an-toerana ity. « Tsikaritray fa tsy tapaka ny any amin’ny faritra hafa na dia samy eto Ankadifotsy aza. Ny antony , raha ny fijerinay azy, dia satria misy olona ambony eo anivon’ny Jirama mipetraka eny » hoy izy ireo mitaraina.
D.R