Mitombo hatrany ny fanehoan-kevitra sy ny fanamelohana ny zandary, taorian’ilay herisetra nitranga teny Ankatso, izany dia na efa nivoaka aza ny didim-pitsarana. Isan’ny nanakiana mafy izany ny Depiote voafidy tany Ikongo, Brunel Razafintsiandraofa. « Amiko dia tsy misy ilaina intsony ny zandary. Ilay fomba nandrafetana sy nametrahana io vondron’ny mpitandro ny filaminana io mihitsy no tsy nety hatrany am-boalohany, ka mahatonga ireo olony tsy mahay manavaka ny hery sy ny herisetra » hoy ny fanehoan-keviny tao amin’ny fandaharana Don-Dresaka. Ny vahaolana, raha araka ny fanazavan’io olom-boafidy ; izay sady kaomiseran’ny pôlisy ihany koa teo aloha, dia ny fampidirana ireo zandary na ho lasa pôlisy na ho lasa miaramila. « Asaina misafidy na hiditra eo anivon’ny Tafika na koa eo anivon’ny pôlisy izy ireo. Ny Tafika dia miaro ny fiandrianam-pirenena ary ny pôlisy kosa dia miaro ny ain’ny olona sy ny fananany. Matetika anefa, dia lasa mitovy sy mifanitsaka ny asan’ny zandary sy ny pôlisy, eny fa na dia hoe samy manana ny faritra iasany aza izy ireo. Koa inona no tsy hanamafisana ny vondron’ny pôlisy raha mitovy ny asa ? » Raha ny fijerin’ity olom-boafidy ity ihany. Notohizany fa matoa ireny mpianatr’Ankatso ireny tonga tamin’ireny fihetsika mahery ireny, dia noho izy ireo tsy mba nisy nihaino mihitsy. « Lasa manao hetsika miharo herisetra izy ireo, mba hanintonany ny sain’ny fanjakana dia ireny hitantsika ireny ny vokany. Raha izaho manokana, dia tsy tokony homena tsiny mihitsy ny mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony, manoloana ireny zava-nitranga ireny » hoy izy namarana ny fanehoan-keviny.
D.R