Omaly no niakatra fitsaràna tao amin’ny TPI (tribunal de première instance) Morondava ny raharaha mahakasika ny Depiote Leva, na Raveloson Ludovic, solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao amin’ny distrikan’i Mahabo teo aloha. Araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana dia voaheloka higadra roa taona an-tranomaizina ny lehilahy. Sazy mihatra avy hatrany ! Ambonin’izay dia fantatra ihany koa fa terena handoa onitra 35 tapitrisa ariary amin’ireo olona nitory azy izy. Marihana fa vono narahana ratra niniana natao, fibodoana sy fanjakazakana tokana teo amin’ny sehatry ny fandraharahana no niampangàna ity olom-boafidy teo aloha ity. Hitan’ny fitsaràna fa meloka tanteraka ingahirainy tao anatin’izay ka izao namoahan’ny fitsaràna didy hampigadra azy izao. Tsiahivina fa vao herinandro vitsivitsy izay no voasambotry ny mpitandro filaminana ny lehilahy rehefa tsy hita tany nanjavonana efa ho volana maromaro. Hany ka voatery namoahan’ny fitsaràna didy fampisamborana.
Nangonin’i m.L