Halatra, fanamparam-pahefana, herisetra. Ireo antony telo ireo no fitoriana napetraky ny solombavambahoaka Nina ary mpitandro ny filaminana no niantefan’izany. Napetrany teny anivon’ny pôlisy miandraikitra ny fari-piadidian’i 67ha ny fitoriana, raha araka ny fanazavany. Nisy solosaina very nandritra ilay fidirana tao an-tranony. Mbola mitondra takaitra ihany koa ireo olona sendra an’ireo mpitandro ny filaminana tao aminy tamin’io fotoana io, raha araka ny fanazavany hatrany. Mihazakazaka ny raharaha satria raha mbola tsy nivoaka akory ny didim-pitsarana ireo olona efatra voarohirohy sy nosamborina tao an-tranon’ity olom-boafidy ity, izao koa dia efa misy fitoriana mipetraka. Mitohy araka izany ary miditra amin’ny lalindalina kokoa, indrindra raha efa nanambara ny mpiray antoko pôlitika aminy fa hiaro azy noho ny tsy rariny nitranga.
D.R