Alahelo ny an’ireto fianakaviana fa nisy nikapa tamin’ny antsy tao an-tranony ny lehilahy iray raim-pianakaviana 33 taona, tao amin’ny fokontany Depot Analakinina Toamasina renivohitra. Raha ny filazan’ny fianakaviany dia tokony tamin’ny 03 ora maraina, ny faran’ny herinandro teo, no namiran’ny andian-jiolahy niditra tao an-tranon’izy ireo azy.
Raha ny fanazavana hatrany dia vao nahare ireto jiolahy fa nisy olona tao an-trano dia nitaky vola tamin’ireo tao an-trano sy namaky izany ihany. Raha vakin’izy ireo izany dia niditra tao izy ireo ary avy hatrany dia nofirain’ireto jiolahy tamin’ny antsy teny an-tananany ilay raim-pianakaviana, teo imason-janany sy ny vadiny. Feno rà ny trano nandritra izay, ka vao lasa ireto jiolahy raha vao nahazo ny notadiaviny, izay tsy hay ny sandany, dia nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana ilay raim-pianakaviana voafiran’ny antsy. Voatery notanana teny amin’ny hopitaly ilay rangahy ary mbola tsaboina eny hatramin’izao, satria hatramin’izao mbola ao anatin’ny fahasarotana tanteraka.
Ankoatra izany dia saron’ny zandary ny lehilahy iray avy nangalatra akoho amam-borona tao Ambalamanasy efa fotoana naharitra. Araka ny fanazavana nataon’ireo mponina manodidina dia tsy re mihitsy ireo akoho amam-borona angalarin’ity lehilahy ity, fa misy teknika fakany izany mba tsy hamoaka feo. Tokony ho tamin’ny 04 ora maraina teo, ny faran’ny herinandro teo, dia saron’ny zanday teo am-pangalarana ilay lehilahy, ka avy hatrany dia voasambotra. Feno akoho avy nangalarina teny aminy nandritra izany ka efa naverina tamin’ny tompony avy vao naraina ny andro. Velom-pisaorana ny zandary ireto mponina noho izany, satria tsy nisy zavatra ren’izy ireo nandritra ny fahaverezan’ireto akoho maro be ireto. Voalaza fa mipetraha ao Ankirihiry ilay mpangalatra akoho ao Ambalamanasy, ary halatra akoho mihitsy no antom-pivelimany.
Efa mandalo fakana am-bavany azy ity mpangalatra akoho gaigilahy ity, ka inoana fa hizaka ny vokatry ny halatra nataony, aorian’ny fiakarany fampanoavana sy mpitsara mpanao famotoran’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina.
Malala Didier