- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversDepôt Manangazera : Tsy jiolahy ilay tovolahy maty voatifitra

Depôt Manangazera : Tsy jiolahy ilay tovolahy maty voatifitra

Mifamahofaho ny vaovao mikasika ilay tovolahy maty voatifitra teo amin’ny araben’ny Depot Manangareza, ny alin’ny alahady 6 martsa teo tokony tamin’ny 10 ora sy sasany. Raha ny fanazavan’ireo mpiara-monina aminy nilaza fa nanatri-maso ny zava-nitranga tamin’io alin’ny alahady io, dia mpitandro filaminana tsy nanao fanamiana sy tsy am-perinasa mamo sy tezitezitra no nitifitra ity tovolahy ity. Ireo olona ireo ihany no nanazava fa tovolahy nihinana lasopy tsara tsy nisy olana teo amin’ny sisin’ny arabe izy, no tonga avy any ilay mpitandro filaminana mamo tonga dia nisintona ny “sac banane” mainty teny an-tsikinany, izay tsy mazava ny antony. Niaro ny fananany anefa ity tovolahy ity ka namaly; teo no niainga ny poa-basy voalohany izay nataony tifi-danitra. Vao nisy izay anefa dia niala ilay tovolahy na mbola tsy tapitra aza ny lasopy nohaniny dia lasa niampita arabe, nandritra izay anefa dia notifirin’ilay mpitandro filaminana mamo mivantana ity tovolahy ity ka nahavoa azy teo amin’ny lamosiny ary nivoaka teo amin’ny tratrany. Mbola niezaka ny nitsoaka ihany ity tovolahy ity saingy tsy tonga lavitra dia nidaraboka tamin’ny tany no efa hitan’ny fa manomboka miala aina. Nanomboka nitangorona ny olona, nanomboka tonga saina tamin’ny zavatra nataony koa ilay mpitandro filaminana mamo ka nikasa ny hitsoaka fa tsy navelan’ny olona raha tsy mitondra ity  raha tovolahy naratra ity tany amin’ny hopitaly. Nentiny tamin’ny fiarakaretsaka tokoa ilay tovolahy, saingy noho ny tahotra taminy dia niala an-daharana ity mpitandro filaminana mamo ity vao tonga teo amin’ny “barrier” Anjoma, ka ilay mpamily ny fiarakaretsaka ihany no nitondra azy tany amin’ny hopitaly be, saingy tsy tana ny ain’ilay tovolahy teny an-dalana noho ny fahaverezan-dra be loatra taminy. Ankilan’izany anefa, dia mitazona ny teniny ny mpitandro ny filaminana fa jiolahy mpanendaka mampitaraina ireo mponina manodidina an’i Depot sy Anjoma ity tovolahy voatifitry ny mpitandro filaminana ity.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

3 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici