- Publicité -
lundi, janvier 12, 2026
AccueilFaits-DiversDépot Toamasina renivohitra : Mirongatra ny tsindrona antsy ireo tratra mody hariva

Dépot Toamasina renivohitra : Mirongatra ny tsindrona antsy ireo tratra mody hariva

Ny sabotsy teo dia tratra ny fanafihana tamin’ny antsy lava ilay fianakavian’ilay tovolahy nodoran’ny 4Mi ny Tanana ny 24 desambra lasa teo. Vao tafiditra tao an-trano ilay jiolahy sy ny antsy beny, avy hatrany dia voaamba antsy izy mianakavy kely sy ilay tovolahy may mbola marary eo ambony fandriana. Nilaza moa ireo jioaly fa “mety nahazo voala ianareo izay tamin’ireny antsy tolotanana tamin’ny fb ireny, ka ento aty ireo vola azonareo”. Lasa ny vola 200.000 ariary nandritra izany sy ireo fananana hafa ihany koa. Mpivarokena iray maro mpahafatra ny amin’ny hoe “Naina” no nisy nanaka raha iny izy nandeha nody niaraka tamin’ny vola vidina hena 2.000.000 ariary ny sabotsy teo. Avy hatrany dia sady nitaky vola ireo jiolahy no nanindrona antsy. Soa ihany fa tsy maty ingahy Naina nandritra izany, fa nampidirina hopitaly be nitsaboana azy lasa avokoa ny vola teny aminy. Mitaky fanovana amin’ireto jiolahy mpanindrona antsy mpandalo tratra hariva ireto ny fianakaviany, fa tena efa mirongatra loatra ilay izy ao Dépot ao ireo mponina nitaraina sy manao antso avo. Manao antsy avo amin’izay malala-tanana ny fianakaviany satria tena voa mafy ingahy Naina, ka manao tolo-tanana amin’ny rehetra amin’ny fitsaboana azy izay mbola ao amin’ny reanimation ny hopitaly be. Ankaotra izay dia milaza ireo vahoaka ao Dépot Toamasina fa maro loatra ireo ngaono mpifoka rongony tsy misy zavatra atao izay efa tsy mianatra raha teo; ka ireny no tena mampirongatra ity tsindrona antsy lava ity. Mila fehezina ny Tanana fa mijaly sy mitaitain-dava ireo mpody alina noho ny asa ataony.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici