Nanatanteraka hetsika fitsirihana ara-teknika eny an-dalambe ny Foibe fitsaràna fiarakodia fiatrehana ny fetin’ny faran’ny taona sy taom-baovao 2022. Nahatratra 4325 ny isan’ny taksiborosy voatsirika tamin’izany ka ny 253 no tsy afaka miasa. Rehefa namboarina anefa dia nahazo nandeha ny 250 tamin’ireo. Nahatratra 4326 kosa ny fiara tsotra voatsirika, ka 251 ny isan’ny naiditra ambalam-pamonjana. Ankoatra ny fitsirihana ara-teknika ireo fiara taxi-brousses eo am-piaingana, dia nanatanteraka fitsirihana ara-teknika eny an-dalambe sy any amin’ireo Tobim-piantsonana (taxi-brousses) ary amin’ireo lalam-pirenena mivoaka an’Antananarivo (RN1- RN2 – RN3 – RN4 – RN7) mandritra ny 15 andro, nanomboka ny alarobia 22 desambra 2021 hatramin’ny alarobia 5 janoary 2022 ny Foibe fitsarana fiarakodia (DGSR) amin’ny alalan’ny ekipan’ny sampanasa mpitsirika an-dalambe (service des opérations et contrôles routiers) sy ireo Ivon-toerana fitsarana fiarakodia (Centres de sécurité routière) rehetra manerana ny Nosy.
“Izao hetsika izao dia tafiditra indrindra amin’ny fisorohana sy fampihenana ny lozam-pifamoivoizana nateti-pitranga tato ho ato. Mihamaro koa ireo fiara tsy manara-dalàna tsy nanao fitsirihana ara-teknika na mitsoaka izany mihitsy na efa lany paikandro (visite technique expirée), fiara ahiana hitera-doza ary efa mamoaka setroka mihoa-pampana kanefa mbola minia mifamoivoy malalaka eny an-dalambe”, hoy ny fanazavana. Hentitra koa ny fanaraha-maso ireo fiara mitondra sy mampiasa ny laharana “WWT” sy ireo laharana vahiny tsy nandalo fandraisana ara-teknika na lany paikandro ny taratasy “Modèle N°1”
« Ny tanjona dia ho fampanarahan-dalàna ny rehetra mifamezivezy anaty lalana sy ho fisorohana ireo lozam-pifamoivoizana samihafa mety hitranga vokatry ny tsy fahatomombanana ara-teknika.
Noho izany, entanina isika tompon’ny fiara sy mpampiasa fiara rehetra mba hanara-dalàna ka hitondra ny fiarantsika hotsirihana ara-teknika ary hikojakoja mandrakariva ny fiara. Entanina ihany koa ireo mpamily mba hanaja ny hafainganam-pandeha izay voalazan’ny lalàna manakery.
Yv Sam