- Publicité -
mercredi, juillet 16, 2025
AccueilFaits-DiversDIANA / Ambilobe : Fisaonam-pirenena, tsy miasa mandritra ny telo andro ny...

DIANA / Ambilobe : Fisaonam-pirenena, tsy miasa mandritra ny telo andro ny mpiasa rehetra

Araka ny naoty navoakan’ny lehiben’ny distrikan’Ambilobe omaly 18 oktobra dia tsy miasa mandritra ny telo andro ho fanajana ny fisaonam-pirenena noho ny fahalasanan’ny filoham-pirenena teo aloha, Zafy Albert ny mpiasa rehetra, na miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana ao Ambilobe. Eo anatrehan’izany anefa dia maro amin’ireo orinasa any an-toerana no mampiaka-peo noho ity fanapahan-kevitra ity satria fatiantoka goavambe no hivesatra amin’izy ireo ao anatin’izany telo andro tsy hiasana izany, araka ny tati-baovao voaray. Rehefa niala tao Ambanja omaly antoandro, dia tonga tao Ambilobe antampo-tanana omaly tolakandro ny vatamangatsiakan’i Filoha teo aloha Pr Zafy Albert izay noraisina tamin’ny fomba manetriketrika tao amin’ny Kianjan’ny Saint Joseph. Raha vao niainga an’Antananarivo nihazo an’ Ambilobe tanindrazany ny nofo mangatsiakan’ity filoha teo aloha rainy demokrasia ity, dia nanome voninahitra sy nanao veloma farany azy daholo ny rehetra teny an-dalana. Ny asabotsy izao no halevina ao Betsiaka tanindrazany Pr Zafy Albert.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici