Tao anatin’ny iray volana teo, nidangana ny vidin’ny arina fandrehatra ao Andapa. Ankehitriny, tafakatra dimy alina ariary ny iray kitapo amin’ny saribao., ka mikaikaika mafy ny ankamaroan’ny mponina tsy manana fahafaha-mividy intsony amin’izao noho ny fahasarotam-piainana misy. Voatery mividy amin’ny antsinjarany avokoa ny ankabetsahan’ireo olona ao an-toerana ary 3 000 ariary ny iray siny. Araka ny fanazavana voaray, dia voaaro fatratra ny ala ao Andapa satria sarotiny ny lehiben’ny ala amin’ny fikapahana hazo sy fanaovana saribao, ka voatery manafatra arina fandrehatra avy ao amin’ny Distrikan’i Vohemar ireo mpangala ambongady. Ary anisany mampidangana ny vidiny saribao ihany koa raha ny fanazavana azo hatrany ny saram-pitaterana (300 km eo ho eo ny elanelan’ny Vohemar sy Andapa) sy ny faharatsian’ny lalana itondrana ny vokatra ary ny fanararaotra ataon’ireo mpivarotra amin’ny fakana tombony tafahoatra noho ny fisian’ny vokatra lavanila. Araka ny fanadihadiana natao dia any amin’ny Distrikan’ Andapa no lafo vidy indrindra ny vidin’ny arina fandrehatra eto amintsika ankehitriny.
Eric Manitrisa