- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversDidy Ambatondrazaka : Raikitra ny fisavana ireo vahiny mpividy vato, vahoaka...

Didy Ambatondrazaka : Raikitra ny fisavana ireo vahiny mpividy vato, vahoaka an’arivony no tafiditra any anaty kariera

Nisahotaka indray ny vahoaka marobe tonga eto Ambatondrazaka, amin’izao fotoana izao amin’ny fisavana ataon’ny mpitandro ny filaminana ireo Srilakais mpividy vato. Nanomboka ny Alahady  16 Oktobra 2016 teo mantsy, dia olona efa an’arivony maro no miditra ny alan’i Didy amin’ny fahavakian’ny kariera   ao Bemaitso; izay 30 Km miala ny tanànan’Antsevabe  voalaza fa misy karazam-bato tsara. Toa saika tonga eto Ambatondrazaka avokoa ny mpitrandraka vato avy any Ilakaka sy ny toerana maro, eny  fa hatramin’ny Afrikanina, Srilankais sns, izay miezaka mitady trano hofana sy hipetrahana. Araka ny fanambaran’ny préfen’Ambatondrazaka ny  19 Oktobra 2016 teo, taorian’ny fivoriana nataon’ny OMC  dia tsy azo atao ny mitrandraka vato ao Bemaitso, satria tafiditra amin’ny faritra arovana izy io. Hisy ny fisavana sy ny fanakanana ireo  olona mitady hiditra any. Ny marainan’ny  20 oktobra 2016 teo araka izany, dia efa feno mpitandro ny filaminana ny Tanana amin’ny fisavana sy ny fisamborana ireo tsy ara-dalàna ny taratasy eo am-pelatanany. Hezahana horoahina ihany koa ireo olona marobe izay efa tafiditra ny alan’i Bemaitso. Marihana moa fa, saika mipetraka eto Ambatondrazaka avokoa ireo vazaha manam-bola mpividy vato.

Janus R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici