- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversDiégo : Mopera maty tao anaty 4x4

Diégo : Mopera maty tao anaty 4×4

Naka sisintsisiny ilay fiara tsy mataho-dàlana miloko fotsy. Izany dia teo amin’ny faritry ny oniversite ao Antsiranana. Adiny telo taty aoriana, mbola teo ihany ny fiara ary tsy niova mihitsy koa ny fipetraky ny olona tao anatiny no sady tsy mihetsika. Nisy nahatsikaritra izany ny tolakandron’ny sabotsy teo. Nampandrenesina ny tompon’andraikitry ny oniversite dia toa mitombina tokoa ny fanahiana. Nantsoina ny mpitandro ny filaminana ary nosokafana ny fiara ary tena efa vatana mangatsiaka tokoa no tao anatiny. Rehefa nandeha ny fanamarinana rehetra dia fantatra fa mopera eo anivon’ny diosezin’Antsiranana ilay namoy aina. Efa narary izy talohan’io ary tsy nivoaka ny trano ela. Tamin’ity indray mitoraka ity anefa dia mba tapa-kevitry ny nivoaka kely izy saingy io namoy ny ainy io.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici