- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversDiégo : Mpivarotra « cocaïne » voasambotra

Diégo : Mpivarotra « cocaïne » voasambotra

Te-hifoka rongony mafy nefa tsy nanam-bola. Noteren’ilay filàna ary nanendaka ramatoa iray nitondra paoketra ireo roa lahy. Raikitra ny fikarohana azy ireo ary niafara tamin’ny fisamborana izany. Niaiky ny helony ireo olona ary nohamafisin’izy ireo koa ny antony dia izay efa voalaza etsy ambony izany. Nitatra ny fanadihadian’ny polisy ary tonga hatrany amin’ny mpamatsy rongony ireo olona. Hita ny toerana, natao ny fisavàna rehefa nahazoana alàlana avy any amin’ny fampanoavana. Nandritra ny fidirana tao amin’ilay trano no nahitàna rongony mahery vaika « héroïne » izay sady misy vovoka, vaingany ary koa ny ranony (tsindrona). Raha ny fanazavan’ny polisy misahana ny fanadihadiana dia 8,2 girama no hita tamin’ny vovoka ary 49,2 girama ny vaingany izay miendrika sokolà. Mbola niaiky koa ireo olona fa tena anton’asany ny famatsiana sy fivarotana ireo zava-mahadomelina mahery vaika ireo. Samy nidoboka am-ponja avokoa na ny mpivarotra na ny mpividy tamin’ity raharaha ity. Ny an’ny mpividy moa ny vesatra nitazomana azy dia somary niampy kely dia ny sinto-mahery izany. Toerana andalovan’ny zava-mahadomelina eto Madagasikara noho ny sisin-tany tsy ampy ny fanaraha-maso. Izay hatrany no amantarana antsika raha eo amin’io sehatra io. Ny tsikaritra koa anefa, ary porofon’ny tranga toa itony, dia misy ampahany amin’ny entana mandalo no amidy eto an-toerana. Ireo vahiny sy hotely lehibe, indrindra any amin’ny faritra, no tena misy ny varo-maizina. Eto an-drenivohitra indray dia ireo toerana filanonana amin’ny alina izay betsaka vahiny no misy ny « cocaïne » sy « héroïne ».

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici