Nisesisesy ny fahafatesan’ny mpitandro ny filaminana tato ho ato. Ankoatra ilay tany Tsaratanàna izay nanintona ny sain’ny maro, noho ny bemidina nataon’ny minisitera tompon’andraikitra mba hikarohana ny mpamono olona, dia fantatra koa fa nisy iray hafa izay matin’ny olon-dratsy tany Diégo. Nohamafisin’ny loharanom-baovao teo anivon’ny pôlisy, ny fisian’izany ary torak’izany ihany koa ny tomponandraikitra sasany avy ao Diégo, saingy mbola ao anatin’ny fanadihadiana ny raharaha koa tsy afaka nivalampatra mba ho fitazonana ny tsiambaratelo. Ankoatr’izay, dia fantatra koa fa nisy zandary iray hafa maty tany Ifanadiana, rehefa nifanandrina tamin’ny malaso. Tany Toamasina indray, tsy tao anatin’ny fanafihan-jiolahy fa tomponandraikitra ambony eo anivon’ny fandefasana tantsambo any ivelany kosa no naiditra am-ponja, rehefa namono ho faty pôlisy; izay isan’ny mpiambina azy ihany. Mandeha avokoa ny fanadihadiana ireo raharaha ireo ankehitriny ary samy hatao hazalambo ny tompon’antoka amin’izany.
D.R