- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversDiégo : Zandary roa nosamborina, mbola tsy hita ny « coffre-fort »

Diégo : Zandary roa nosamborina, mbola tsy hita ny « coffre-fort »

Nifanohitra tanteraka tamin’ny andraikitra nomena azy ny nataon’ireto mpitandro ny filaminana ireto : namono olona sy nandroba ny fananany…

Tapi-dalan-kaleha tanteraka tany anaty ala, izay ranomasina ny farany, ka voasambotra ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Zandary ny asan’io farany. Io indray no nasaina nanondro ny namany izay mbola zandary ihany koa, ary efa voasambotra hatramin’ny omaly. Ireo no isan’ny namono nahafaty an’ilay teratany Italiana nipetraka tamin’ny làlana Ramena, ao Antsiranana, ny alin’ny alatsinainy teo. Teo amin’ny lohany no voatsatoka antsy, raha araka ny vaovao avy any an-toerana. Nofatorana tady avokoa ireo olona tao an-trano nandritra ny famonoana azy. Ankoatra ny entana madinidinika dia fantatra fa nisy fitoeran’entana sarobidy sy vola (coffer-fort) very tao amin’io toerana io. Nisy sivily iray voasambotra rehefa nandroso ny fanadihadiana, izay niarahan’ny vondron’ny mpitandro ny filaminana manatontosa. Mbola misy olona iray farany izany karohina ary miaraka aminy io “coffre-fort” io. Mbola niaraka tamin’ny fanamiana fanaovana fanatanjahan-tenan’ny zandary ilay iray voasambotra. Nandeha ny feo fa zandary efa voaroaka ny iray tamin’ireo mpitandro ny filaminana roa. Mbola tsy nisy fanazavana ôfisialy aloha hatreto fa ny fantatry ny olona ao an-toerana dia zandary izy ireo. I Adelio kosa, ilay teratany Italiana maty tamin’ny fomba feno habibiana, dia mpandraharaha amin’ny sehatry ny fizahan-tany ao Diégo rehefa avy “Consul” tany Nosy-Be nandritra ny taona maro. Tao anatin’ny herinandro vitsy izany dia “Consul” teo aloha miisa roa no namoy ny ainy. Isan’izany ilay frantsay iray izay namoy ny ainy tany Fianarantsoa farany teo ka nahatonga ny vazaha ao an-toerana namorona komity fiarovana ny vahiny. Vao tsy vita akory ny fanadihadiana iny raharaha iny dia efa io nitranga io ny tany Diégo. Simba tanteraka ny fijerin’ny olon-tsotra ny zandary ankehitriny manoloana ny tranga tato ho ato. Ankoatra ilay raharaha teny Ankatso, izay nidarohana ampahibemaso mpianatra manao fitokonana, dia io namono olona io indray ny roa tamin’izy ireo tany Antsiranana. Amin’izay mbola miaro be fahatany ihany ny lehiben’izy ireo kanefa dia efa mivandravandra be ny tsy maha-ara-dalàna ny fikasihan-tànana (sy tongotra) miampy fandorana herinaratra ilay mpanao grevy. Tsy nisy afa-tsy izany ny resaka teny ambavan’olona sy tany anaty tambajotra sosialy rehetra tany tao anatin’ny roa andro izay. Niampy rahateo izany ny fanamelohan’ny masoivohon’i Etazonia eto amintsika. Miaro ny ain’ny olona sy ny fananany?

D.R/Vjcl

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici