- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversDigue Ambohitrimanjaka : Moto nofaohin’ny 4x4, olona efatra naratra

Digue Ambohitrimanjaka : Moto nofaohin’ny 4×4, olona efatra naratra

Nisehoan’ny lozam-pifamoivoizana indray teny amin’ny lalana Digue Ambohitrimanjaka, ny alarobia hariva teo. Fiara 4×4 iray no nandona moto scooter nitondra olona roa tamin’izany. Voalaza fa moto teo alohan’ny taxi be iray no voafokan’ilay 4*4 ka lasa tanaty rano. Izany hoe nahazo ilay lalana mahitsy ilay fiara tsy mataho-dalana ka nisongona Ilay fiara mpitatitra. Iny avy nisongona iny Ilay 4×4 no nandona Ilay moto teo aloha. Nipitika mihitsy ilay moto sy ireo olona teo amboniny, ary nifatratra tany anaty rano ilay fiara tsy mataho-dalana. Tsy nisy aina nahafoy fa ilay nitondra moto no naratra teo amin’ny lohany. Ilay vehivavy nentiny kosa  voadona tamin’ny tongony. Nentina tany amin’ny hopitaly avokoa ireo olona efatra. Tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana nanao ny fanadihadiana. Misy milaza fa mamo ireo tovolahy roa tao anaty 4×4. Misokatra ny fanadihadiana.

Yv Sam

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici