Nandriaka indray ny rà, teny amin’iray tamin’ireo lala-migodanan’ny renivohitra, Digue Andohatapenaka. Tovovavy iray no namoy ny ainy, rehefa avy nofaohin’ny fiara mitondra ny marika BMW, omaly hariva tokony ho tamin’ny 4ora sy sasany. Nihoron-koditra avokoa ireo olona rehetra nahita ity seho mahatsiravina tetsy amin’ny Digue ity, nanoloana indrindra ilay hôpitaly manara-penitra teny an-toerana. Raha ny voalazan’izy ireo mantsy dia saika hiampita ny arabe ny tovovavy roa, izay samy manodidina ny 20 taona eo avokoa, kanjo sendra nifanojo tamin’ity fiara tsara tarehy nanampatra ny herin’ny môterany, nitsotsotso mafy tamin’iny lalan’ny Digue iny. Mafy dia mafy ny fifandonana. Nipitika ary somary nisavoana mihitsy ity tovovavy namoy ny ainy ity. Avy eo niafara teny amin’ny « pare-brise »n’ilay fiara, izay potika tanteraka. Torana tsy nahatsiaro tena avy hatrany ity tovovavy nampalahelo ity. Araka ny fanazavana nomen’ireo nanatri-maso hatrany dia tsy voakitika kosa ilay tovovavy niara-niampita taminy. Natao avy hatrany ny famonjena ity tovovavy ity, nitondrana azy tany amin’ny toeram-pitsaboana. Saingy indrisy fa tsy tana intsony ny ainy nony tonga tany amin’ny hôpitaly. Nambaran’ny mpitandro filaminana fa na dia teo akaiky teo aza ny hôpitaly dia tsy afaka nandray izany izy ireo ka voatery nentina teny Anosy ity vehivavy voadona ity. Notanana teo no ho eo kosa ny mpamily an’ity fiara ity, raha ny fanazavan azo hatrany. Asa raha fahampiriny sahady amin’ireo lozam-pifamoivoizana nahafaty olona tamin’ity voalohan’ny taona ity ity nitranga farany teo ity. Malalaka ny lalana ka mampisy fakam-panahy ho an’ireo mpamily handeha mafy amin’iny lalana iny. Azo eritreritina ny famerana ny hafainganam-pandeha amin’ireo lalana migodana sasantsany eto an-drenivohitra. Na izany na tsy izany anefa, tokony ho ny tsirairay no samy hitandrina foana eo anatrehan’izao zavatra izao, na ny mpamily, na ireo mpandeha an-tongotra.
m.L