- Publicité -
samedi, juillet 19, 2025
AccueilFaits-DiversDigue : Lehilahy maty nodomin’ny fiara, nitsoaka ny mpamily

Digue : Lehilahy maty nodomin’ny fiara, nitsoaka ny mpamily

Fatin-dehilahy nihosin-drà tanteraka no nitsena ireo olona teny amin’iny lalan’i Digy iny omaly vao maraim-be.  Araka ny angom-baovao azo dia lehilahy iray no namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana, ny alin’ny alahady lasa teo. Tsy nijanona anefa ilay fiara nahavanon-doza fa mbola nanohy ny lalany nitsoaka, namela ilay olona voadona teo amin’ny arabe. Tsy fantatra mazava araka izany, hoe tamin’ny fomba ahoana no nahatonga ny loza. Izy efa nitsirara nihoson-drà teo am-povoan’arabe no nanaitra ny maro ary nitangoronan’ireo mponina teny an-toerana. Efa tonga teny an-toerana moa ireo tompon’andraikitra nijery ifotony ny zava-nisy. Ry zareo avy ao amin’ny BMH ihany koa efa nantsoina haka ny razana, ary nitondra izany teny amin’ny trano-patin’ny hôpitaly tetsy Ampefiloha, miandry izay mety ho fianakaviany.

Fa ankoatran’io dia mpifankatia nitondra môtô ihany koa no naratra mafy vokatry ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy ireo tetsy Ampandrana ny alahady antoandro lasa teo. Araka ny voalazan’ireo nanatri-maso dia fiara kely iray teny an-toerana no nifaoka azy roa ireto. Avy any Antsakaviro avy any ilay môtô tamin’io fotoana io, raha nifanena tampoka tamin’ity fiara ity, izay raha ny fantatra hatrany, dia handeha hivily tampoka haka « parking ». Tsy tafajanona araka izany ny môtô nentin’izy roa ireto ary tsy tana ihany koa ny fifandonana. Nandriaka ny rà. Samy vaky loha ireto mpifankatia saingy ilay lehilahy no voalaza hatreto fa toa hoe tena voa mafy ary mbola miady amin’ny fahafatesana. Efa tonga teny an-toerana nanantanteraka ny fizahana ifotony ary nanokatra ny fanadihadiana ihany koa moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana teny an-toerana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici