- Publicité SW45 -
lundi, juillet 1, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversDigue : Lozam-pifamoivoizana hafa indray

Digue : Lozam-pifamoivoizana hafa indray

Potika tanteraka ny lohan’ilay fiara.
Potika tanteraka ny lohan’ilay fiara.

Raha misy ny toerana be lozam-pifamoivoizana indrindra tato ho ato dia eny amin’ny làlana Digue. Omaly dia fitohanana be no nateraky ny fifandonan’ny fiara mitondra ny marika BMW tamin’ny “taxi-be”. Potika tanteraka ny lohan’ilay fiara kely ary tavela teo afivoan’ny arabe . Nisy ny naratra vokatr’ity lozam-pifamoivoizana ity ka nentina haingana teny amin’ny hopitaly mba ho fanavotana azy. Ny tsikaritra dia saika isan-kerinandro izay tato ho ato no nisian’ny fifandonana teny amin’iny làlana iny. Na misy fitohanana na tsy misy dia mitranga hatrany ny lozam-pifamoivoizana,izay hatreto dia vokatry ny tsy fitandreman’ny mpamily no antony. Tia mifampisongosongona mantsy ny fiara eny amin’iny làlana iny, nefa marobe ihany koa ny olona mandeha fiara mampiasa azy. Vokany, betsaka no mifandona ary tsy vitsy ihany koa izay efa namoy ny ainy teny izay…

D.R

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser