Fiara tsy mataho-dàlana iray no nifandona tamin’ny taxi-be mampitohy an’andrenivohitra amin’Ivato. Teo amin’ny làlana Digue indray no niseho ity lozam-pifamoivoizana, izay saika isan-kerinandro no hahenoana ny toa izany. Fito no naratra, ka ny ankamaroany dia mpandeha tao anatin’ilay fiara fitaterana. Naratra ihany koa ny mpamily ilay 4X4. Nivadibadika be ihany ny fitantaran’ny olona teny an-toerana. Tao no nilaza fa nijanona tampoka ilay taxi-be ary nifatratra tany ilay fiara tsy mataho-dàlana. Tao koa no nanazava fa mamo ilay mpamily 4X4,ary mbola nisy tavoahangy nisokatra rahateo teo akaikiny, ka tsy nahavita nanajanona ny fiara intsony. Ny zava-misy aloha izany dia vokatry ny tsy fitandremana no nitarika ity lozam-pifamoivoizana ity. Lasa mampatahotra ny maro ny fandehanana fiara fitaterana mizotra mankany Avaradrano satria misesy loatra ny lozam-pifamoivoizana mihatra amin’izy ireo. Vao tsy ela akory no nisy namoy ny ainy ary manginy fotsiny ireo naratra, izao koa dia mbola nisy fito hafa indray niharan’izany. Lasa fijaliana ara-batana sy ara-tsaina, araka izany, ny fandehanana bus ho an’ny maro, satria ny mahazo azy amin’ny ora firavan’ny mpiasa sy ny mpianatra dia efa tena fisisihina tafahoatra, ny mitaingina azy koa dia lasa mampiady saina sao hisy loza mitranga indray…
D.R