Raha ny tany amin’ny voalohandohan’ny taona tany ho any no nalaza ratsy mihitsy iny lalan’ny Digue iny, ny amin’ireo tontakely izay tsy menatra mihitsy manafika ireo olona anaty fitohanana dia toa lasa miverina indray izany amin’izao. Efa maromaro ihany ireo mitaraina fatratra ny amin’ity tranga ity, fa indrindra ireo vehivavy iray mitondra fiara irery. Tsy tahotra tsy henatra izy ireo, mandrahoana amin’ny fitaovam-piadiana na misintona avy hatrany izay entana lafo vidy eny an-tanan’izy ireo. Toy ny nahazo ity vehivavy iray izay very finday avo lenta izay mitentina any amin’ny roa tapitrisa ariary any ho any ny faran’ny herinandro teo. Nitsoaka avy hatrany ity farany ary nihazo ny lalana mankany Ambodihady iny. Nametraka fitairana avy hatrany moa ity farany. Tsy niandry ela fa andro vitsivitsy taty aoriana dia tratra teny amin’iny faritra iny ilay tovolahy mpanendaka. Niaiky ny heloka vitany izy tamin’izay izy ary nilaza fa ho 10 taona mahery teo ho eo no nanaovany io asa io. Iray amin’io mpanendaka sy tontakely voasambotra sy tsy afaka manao ny asa ratsiny intsony ity tovolahy ity saingy mbola maro ireo toa azy, eny amin’iny lalan’ny Digue iny. Miandry izay haza mety horambasana indray. Marihana fa efa manao ny ainy tsy ho zavatra tokoa ireo pôlisy misahana iny toerana iny ary hitam-poko hitam-pirenena izany. Saingy, efa manana ny tambajotrany ihany ireo mpanao ratsy ary efa hainy tsara ny miala ireto mpitandro filaminana manao fisafoana. Araka izany ny fandraisana andraikitry ny tsirairay, milaza izay zavatra na ireo olona mampiahiahy eny ifotony amin’izy ireo no andrasana, ahafahana miaraka mamongotra ity resaka tsy fandriaham-pahelamana ity.
m.L