Nandriaka indray ny rà, teny amin’iny lalana Digue, manoloana ny kianjan’ny Makis iny. Lehilahy mpitondra sarety iray no maty tsy tra-drano, iray hafa kosa naratra. Izay no vokatry ny fifandonana teo amin’ireo sarety notaritin’ireo olona ireto sy ny fiara tsy mataho-dalana iray, omaly vao maraim-be, tokony ho tamin’ny 2 ora tany ho any. Somary maizimaizina ihany iny lalana iny, raha ny filazan’ireo mponina teny an-toerana, ary fantatry ny rehetra anefa fa maro ireo sarety mitanjozotra amin’iny lalana iny. Tamin’io fotoana io, raha ny voalazan’ny mpitandro filaminana tonga teny an-toerana, dia samy nizotra ho any Andranomena avokoa ireto fiara sy sarety niharan-doza ireto. Sarety telo feno mololo no indray nitanjozotra tamin’iny lalana iny. Angamba tsy tazan’ity fiara tsy mataho-dalana izy ireo, hoy hatrany ny fanazavana azo, ka dia notrongisin’ity farany avy aoriana. Malalaka tokoa iny lalana iny, tamin’izany fotoana izany, ka inoana fa somary nandeha mafy ilay fiara tsy mataho-dalana, raha ny filazan’ireo olona teny an-toerana. Ary noho tsy fisian’ny hamaizin’ny alina dia tsy hitan’ny mpamilin’ity fiara ity velively ireo sarety teo anoloany. Mafy dia mafy tokoa ny fifandonana satria dia nipitika tany an-tanimbary ireo sarety roa voalohany, raha potika tsy nisy noraisina, niaraka tamin’ilay rangahy mpandroaka azy, ilay sarety farany voatrongy avy aty aoriana. Maty tsy tra-drano ity lehilahy 37 taona ity. Lehilahy iray hafa, mpandroaka sarety ihany koa no naratra mafy, vokatr’ity loza ity, voatery nalefa haingana teny amin’ny toeram-pitsaboana. Tsy nisy naninona kosa ireo olona tao anatin’ilay fiara, raha ny vaovao voaray teny amin’ny toerana nisian’ny loza hatrany. Saingy nahitana fahapotehana ny ilany havanany iray manontolo. Fantatra fa nentin’ireo mpitandro filaminana natao fanadihadiana ny mpamilin’ity fiara ity. Tokony hipetraka ho anatra ho an’ny tsirairay angamba ny loza tahaka izao, na ho an’ireo mpitondra sarety, izay tokony hametraka famantarana mirehitra foana, indrindra raha mandeha amin’ny alina, na ho an’ireo mpamily, manantena ny hatanjaky ny fiara ka manitsaka mafy.
m.L