Nivezivezy toeram-pitsaboana telo ity rangahy ity vao tena noraisina an-tànana ny momba azy. Tao ny hopitaly tsy nisy fitaovana, tao ny hopitaly nihidy “cadenas”…manara-penitra.
Teo amin’ny faritry ny lohany no notsatohana antsy ka nahatonga azy ho lavo tamin’ny tany, ny alin’ny alahady teo. Ny olona sendra nandalo no nahita azy ka nanao izay ho afany mba nitondràna azy teny amin’ny hopitaly. Ny indro kely dia nihidy soa aman-tsara indray ny hopitaly manara-penitra. Voatery nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana tsy miankina teny Ambohibao. Noho ny zava-nanjo azy anefa, ary koa noho ny fahaverezan-drà be loatra, dia tsy maintsy nentina teny amin’ny Hjra indray ilay lehilahy. Nampiana rà ary nentina tao amin’ny sampana famelomana aina, dia natao izay rehetra hanavotana azy. Mbola niady tamin’ny fahafatesana tanteraka izy omaly maraina, raha araka ny fitantaran’ny loharanom-baovao teo anivon’ny hopitaly. Ny olana aminy anefa dia sady tsy nisy vola tany aminy no tsy fantatra ihany koa ny fianakaviany. Toe-javatra izay tsy tian’ny toeram-pitsaboana eto amintsika loatra, satria lasa mitontona any amin’izay mandray azy eo ny mety ho rihitra rehetra rehefa nekena ny nandray ny marary. Mifanohitra tanteraka amin’ny antom-pisian’ny hopitaly raha atao bango tokana. Ity rangahy ity aza dia mba azo lazaina fa tsara vintana ihany satria noraisin’ny toeram-pitsaboana ny fanavotana ny ainy, izany dia avy amin’ny alàlan’ny petra-bola manokan’ny hopitaly, na ny “fond d’équité”. Isan’ny tokony hifantohan’ny fitondràna ankehitriny ny “vonjy aina”. Ny zava-misy mantsy ankehitriny dia mifampijerijery fotsiny ny olona sisa rehefa mahita olona miady aman’aina eny an-dàlana eny. Ny antony dia noho ny fahafantaran’izy ireo fa hitontona any aminy ny rihitra rehetra. Ny mpamonjy voina aza rehefa antsoin’ny olona tsotra, rehefa misy tranga toa izany, dia manontany tsara raha hanaraka ilay mpiantso na tsia. Rehefa tsia ny valiny dia malaina ny mihetsika izy ireo. Torak’izany ihany koa ny tranga rehefa tonga eny amin’ny hopitaly : rehefa tsy misy vola hividianana fanafody avy hatrany na koa tsy misy mpanaraka dia matetika miandry mana avy any an-danitra eo fotsiny. Efa nisy aza ny narary maty ho azy tao an-tokotanin’ny toeram-pitsaboana vokatr’izany tsy fisiana izany. Dia avela hojerena fotsiny toa izany hatrany ve ny olona miady aman’aina rehefa tsy misy vola sy tsy misy havana? Tsiahivina fa efa sokajiana ao anatin’ny heloka ny tsy fanavotana olona mila vonjy…
D.R