Fandehanana mafy, raha araka ny fanazavan’izay nanatri-maso ny lozam-pifamoivoizana no anton’izany. Andaniny, fiara tsy mataho-dalana ary ankilany, sarety izay nitatitra biriky. Teo ihany dia torana tsy nahatsiaro tena ilay mpitondra sarety ary tsy nisy naratra ny andaniny, fa ny fiara tsara tarehy no potika tanteraka ny lohany. Mbola ny filazan’ny olona hatrany no nahafantarana, fa nisy taxi-be iray izay nibahana ny làlana ka ahiana ho mety ho fototry ny loza. Nifamonjy ny olona tamin’ny fitaterana ny naratra teny amin’ny hopitaly. Ny biriky amin’io niparitaka teo amin’ny manodidina. Iza no tena diso ? Sarotra ny mamantatra izany, indrindra amin’ny fikorontanan’ny fifamoivoizana eto an-dRenivohitra; izay samy manao ny saim-patany ankehitriny noho ny hakelin’ny làlana, ny tsy fisian’ny fanaraha-maso amin’ny làlanan’ny fifamoivoizana ary koa noho ny hamehan’ny tsirairay avy izay mampiasa ny làlana. Na izany aza, tokony hizara ny andraikitra manoloana ity fahavoazana ity, dia eo amin’ilay fiara tsy mataho-dàlana izay nisongona kanefa tsy nahita ny tao aloha ary koa ilay taxi-be izay nibahana kanefa làlana izay ifamezivezen’ny fiara maro iny toerana iny. Etsy ankilan’izany rehetra izany, ny mbola fampiasana ny sarety amin’izao fotoana efa mandroso izao, koa dia tsy azo ihodivirana fa miteraka fikorontanan’ny fifamoivoizana. Izany rehetra izany no mitambatra noa lasa mampisesy ny lozam-pifamoivoizana. Mbola ezaka lehibe ny fandaminana izany ary isan’ny mba handrasan’ny maro amin’ny kandidà ho filoha ny fametrahana vina momba ny fandrindrana ny fifamoivoizana sy ny fanaovana tetik’asa mifandraika amin’izany, satria miantraika mivantana any amin’ny fiainam-bahoaka. Hatreto anefa, dia tsy misy na iray aza mba nisaina an’izany akory fa variana amin’ny fisehosehoana sy ny fividianana olona hameno toerana etsy sy eroa mba hieboeboana.
D.R