- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversDigue : Nisy mpandeha moto maty indray

Digue : Nisy mpandeha moto maty indray

Ny asabotsy manodidina ny tamin’ny fito ora hariva no nitranga ny lozam-pifamoivoizana. Nidona tamin’ny sarety iray ny scooter. Vokatr’izany dia maty tsy tsa-drano ilay mpitaingina moto raha tsy naninona kosa ny mpitarika sarety. Misesy ary mampitsangam-bolo ny maro hatrany ny lozam-pifamoivoizana ateraky ny moto eto an-drenivohitra satria isan-kerinandro izany dia saika mahafaty olona hatrany. Eo ihany ny fisetrasetràna ho an’ny mpampiasa kodiaran-droa sasany, fa miampy ny tsy fahampiana na faharatsian’ny fotodrafitrasa toy ny làlana simba dia vao mainka mitera-doza tanteraka. Manampy trotraka izany ny fikorontanan’ny fifamoivoizana, toy izay nitranga teo amin’ny digue, mbola misy sarety mandeha ihany, indrindra koa amin’ny alina izay sarotra ny mahita azy ireny noho ny tsy fisian’ny jiro.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici