Lehilahy iray fantatra amin’ny anaram-bositra hoe Guy Beloha, no tra-tehaka teo am-pangalarana môtô, ny talata lasa teo, teny amin’ny Digue. Efa raikitra ny fanenjehana ary raha tsy teo ireo mpitandro filaminana, mety efa ho ny ain’i Guy Beloha no nanefa. Môtô napetraky ny tompony tao amina fiantsonam-piarakodian’ny magazay iray teny an-toerana no notsiriritin’ity mpangalatra ity. Mbola variana niantsena tao amin’io magazay io rahateo ny tompony. Nony niverina anefa ity farany, tsy nahita ny môtô-ny intsony nipetraka teo amin’ny fitoerana. Sendra nijerijery ny manodidina izy no nahita lehilahy iray nanosika ny môtô. Velona avy hatrany fanenjehana. Tsy naha-beloha azy anefa ireo mpanenjika ka tsy lasa lavitra akory dia voasambotra ilay mpangalatra. Tamin’ny fanadihadiana natao azy, hoy ny vaovao no nahafantarana fa, efa zava-panaony ity mangalatra môtô ity ary efa matihanina amin’io asa ratsy io ny lehilahy. Efa im-betsaka rahateo ihany koa no nigadra noho izay resaka izay ihany. Omaly no natolotra indray teny anivon’ny Fampanoavana ity mpangalatra môtô ity.
m.L