Mampihorohoro, fikambanan-jiolahy, fangalarana miharo herisetra sy fampiasana zava-maranitra (…) Ary ireo mpianatra manodidina ny Lycée technique, eny Mangarivotra Atsimo, Tsarakofafa sy Tanambao Verrerie iny no tena ataon’izy ireo mitondra faisana mihitsy. Ny faran’ny herinandro teo, nisy ny hetsika manokana nataon’ny pôlisin’ny UIR sy SUT, avy ao avy amin’ny fitalevam-paritry ny filaminam-bahoaka ao amin’ny faritra Atsinanana, nahafahan’izy ireo nisambotra ireto tontakely ireto. Miisa dimy lahy izy ireo aloha hatreto no voasambotra ary heverina fa hanaraka azy ireo tsy ho ela ireo namany.
Efa maromaro ihany mantsy ny fitarainana mantsy ny fitarainana mahakasika azy ireo eny an-toerana. Efa maro torak’izay ihany koa no nataon’izy ireo lasibatra. « Manao izay fomba rehetra entina hamongorana ireto tambajotra mpandroba sy mpanendaka ny mpianatra ireto izahay amin’ny alalan’ireo fisafoana ny manodidina rehetra » hoy hatrany ny pôlisy ao an-drenivohitr’i Toamasina ao.
Marihana fa manodidina 17 ka hatramin’ny 22 taona ireto tontakely voasambotra ireto, izay nentina avy hatrany natao famotorana eny anivon’ny biraon’ny pôlisy, mialoha ny hanolorana azy ireo eny anivon’ny Fitsaràna. Ary mbola nahitàna antsy lavalela tany amin’ny iray tamin’izy ireo, raha ny vaovao azo hatrany.
m.L