
Natao teto Toamasina tao amin’ny trano fandraisam-bahiny “le Neptune” ny atrikasa momba ny fiantraikan’ny fiovahovan’ny toetr’andro amorontsiraka teto amintsika; izay nandraisan’ny fanjakana Malagasy anjara tamin’ny alalan’ny minisitera ny jono sy toe-karena manga Atoa Rabary Andriantsilavo talen’ny toe-karena manga, sy ny “Stimson center” Rtoa Sally Yozell talen’ny fandaharanasa fiarovana ara-tontolo iainana, ary ny Westren Indian Ocean Research Association. Tetikasa “CORVI” ity hatao eto Madagasikara ity, izay nanomboka ny 03 aogositra teo, ka nandraisana anjaran’ireo mpisehatra tratra antso momba izany fiovahovan’ny toetr’andro izany teto Toamasina. Isany nadray anjara tamin’ny atrikasa ny mpandraharah teto an-toerana, teo koa ireo oniversitera, ny governemanta, ary ireo fiaramonim-pirenena. Nambaran’ny mpikarakara ity atrikasa ity tamin’ny alalan’ny Rtoa Sally Yozell izay tale misahana ny fiarovana ara-tontolo iainana eo anivon’ny Stimson center, far aha vao vita ny atrikasa atao ity dia afaka 09 na 12 volana dia tsy miantsy misy ny asa mivaingana vita momba ny fiovaovan’ny toetr’andro izany eto Madagasikara, sy ny manodidina azy amin’ny alalan’ny famatsiam-bola iraisam-pirenena. Voalaza mantsy fa tena miantraika amin’ny tananan’I Toamasina ny fiovahovan’ny toetr’andro izany, ka mahatonga fahaverezana ara-toe-karana goavana ho an’I Madagasikara amin’ny maha-avohavoka azy. Araka ny fantatra dia tao anatin’ny 30 taona nisiany, ny fandaharanasa “Stimson center” dia loha-laharana foana tamin’ireo olona iraisam-pirenena, ka ankehitriny dia lalam-baovao no arahina amin’ny fiarovana momba ny fiovahovan’ny toetr’andro mba hisian’ny tany tan-dalana iraisam-pirenena amin’ny fiantraikany ratsy amin’ny vahoaka.
Malala Didier