“Tsy mpanolotsain’ny praiminisitra aho ary tsy mbola nilaza izany mihitsy, fanaratsiana ahy sy ny orinasa DNI Metals ny ataon’ny sasany…” izay ny valin-kafatr’Atoa Njara Raoily izay mpitantam-bolan’ny orinasa, mikasika ny vaovao nivoaka momba azy nandritra ny lanonana natao tao Ambatolampy Vohitsara, tamin’ny fizarana fitaovam-pianaran’ireo mpianatra. Nomarihan’ny orinasa ity fa tsy mbola misy fitrandrahana ataon’izy ireo hatramin’izao, fa mbola fikarohana hamantarana ny fatran’ny Grafita misy ao anatin’ity faritra azon’izy ireo ity, araka ny fahazoan-dalana azon’izy ireo tamin’ny fanjakana niaraka tamin’ny fahazoan-dalana ara-tontolo iainana ihany koa. Nanomboka ny volana martsa izay maharitra enim-bolana, saingy noho ny fiatoana kely nataon’izy ireo noho ny disadisa teo amin’ny orinasa sy ny mponina sasany ao Vohitsara, dia mitohy hatramin’ny volana desambra izany fikarohana izany. Nomarihan’ny tale jeneralin’ny orinasa Atoa Steven Goertz sy nohamafisin’ny talen’ny fitantanam-bolan’ny orinasa Atoa Njara Raoily, fa efa vita avokoa ny 97% ny fizarana ny onitra tamin’ireo volin’ny mponina tafiditra amin’ny asa ataon’ny “DNI Metals” izao. Nisy ireo fianakaviana nahazo hatramin’ny roa tapitrisa ariary nandritra izany, nisy kosa ireo olona telo noho ny fanampiana azy ireo fotsiny nomen’ny orinasa telo alina ariary nefa izy ireo no miteraka olona izao, ka nahatonga ny orinasa milaza fa hisy fanampim-bola hanampy izay efa nomena azy ireo. Vokatr’izany dia niditra an-tsehatra mandamina ny raharaha ireo tangalemana any an-toerana tarihan’ny filohan’izy ireo avy ao Brickaville Atoa Josoa Raymond, ka araka ny tapak’izy ireo dia natao omaly zoma ny lanonam-pampihavanana karakarain’izy ireo hisorohana ny olana eo amin’ny tananan’Ambatolampy misy ny asa ataon’ny “DNI Metals” sy ny fokontan’i Vohitsara…
Malala Didier