Tsy ilaina akory ny hampijoroana andrim-panjakana manokana mba hisahana ny fampihavanam-pirenena, raha ity fanapahan-kevitra noraisin’ny foko Betsileo sy Antesaka ity no hataon’ny rehetra ohatra. Nahatsapa mantsy ireo Olobe sy Ampanjaka ao amin’ireo foko ireo, fa narisarisa ny fifandraisana teo amin’ny roa tonta, noho ireny zava-niseho nifanesy teto amin’ny firenena ireny, indrindra nanomboka tamin’ny taona 2002. Noho izany, tapaka ny hevitra fa hanatanteraka lanonana fifampihavanana ao an-tampon-tanànan’i Vangaindrano ireo foko ireo, ny 13 sy 14 jolay izao.. Hiatrehana izany, dia nanao fivoriam-be tetsy Mahamasina ny fikambanana Zanaray Miraindriky, izay ivondronan’ny fianakaviam-be Antesaka monina eto Antananarivo, ny sabotsy 30 jona lasa teo. Fivoriana izay natrehan’ny Minisitry ny Kolontsaina sy ny Fampiroboroboana ny Asa tanana sady zanak’i Vangaindrano rahateo, Johasy Eleonore.
Nisy faty olona. Nifamono tokoa ireo foko ireo, na dia nolazaina fa mpiziva aza ka tsy tokony hifanao ratsy mihitsy. Nitranga izany tao Fianarantsoa tamin’ny 2002 ka nahafatesana Antesaka vitsivitsy. Teo ohatra ny Jeneraly Andrianaivo ; izay notifirina teo am-pandrian’ny Hôpitaly tao Tambohobe. Ny miaramila Serza Merlin, novonoina tamin’ny fomba feno habibiana, satria dia nozerana vato malao ny lohany teo amin’ny toby fiantsonan’ny taksiborisy ao Anjoma. Maro ireo Antesaka no mbola tsy manadino izany tantara ratsy izany. Noho io antony io, dia nanatona ireo Ampanjaka telo troky lehiben’ny foko Antesaka ireo Olobe avy amin’ny Faritra Betsileo mba hangataka izao fampihavanana izao. Araka ny fandaharam-potoana, dia ny 6 Jolay teo no efa notsenain’ny Antesaka teo amin’ny tetezan’i Menanara ny vatolahy nentin’ireo Betsileo avy any aminy mba hanamarihana io fotoan-dehibe io. Koa satria ny Betsileo no nanao ny dingana voalohany, dia izy ireo no hiantoka ireo omby hanatanterahana ny lanonana rehetra amin’izany, izay voalaza fa mahatratra 40. Tanjona amin’izao fampihavanana izao moa, ny mba hiarahan’ny roa tonta hampandroso ny faritra misy azy avy. Noho izany, ny 14 jolay dia hisy ny famelabelaran-kevitra harahina fikaonan-doha hahatongavana amin’izany fampondrosoana izany.
T.M.