- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversDisitrikan'i Maevatanàna : Manjaka ny asan-jiolahy, mihorohoro ny mponina

Disitrikan’i Maevatanàna : Manjaka ny asan-jiolahy, mihorohoro ny mponina

Mandroba sy mampihorohoro mihitsy ireo malaso ankehitriny. Ankoatra ny fitaintainana amin’izao krizin’ny valanaretina covid-19 izao, dia manjaka ny asan-jiolahy. Isan’ireo miferinaina tanteraka ny ato amin’ny disitrikan’i Maevatanàna, izay ahitana mpitandro ny filaminana isam-ponkontany mbola ahenoana tsy fandriam-pahalemana foana. Efa maro ny trangam-panafihana niseho tato amin’io disitrika voalaza etsy aloha io tao anatiny telo volana latsaka monja. Raha ny any amin’ny kaominina Bemokotrà no asian-dresaka dia tsy mandry andro tsy mandry alina tanteraka ihany koa ny mponina any an-toerana, manoloana ny asan-jiolahy mateti-pitranga. Nampihoron-koditra azy ireo ny seho farany, tamin’ny alahady 4 aprily lasa teo, izay nahitana feom-basy nirefodrefotra naharatrana lehilahy mpitobim-bolamena tao amin’ny tanàna antsoina hoe Mangatokana, soa ihany fa tafaporitsaka ranamana sy ireo olona teo amin’ny manodidina, ka tsy nisy ny aina nafoy nandritra izany. Fa ilay lehilahy kosa notetezin’ny bala ny sorony, ary nentina malaky namonjy hopitaly teto Maevatanàna. Tsikaritra tokoa mantsy fa tsy mavozo manafika tanàna na eny ambanivohitra na eto amin’ny renivohitra ireo fikambanan-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana, amin’izao fotoana izao. Trangam-piarahamonina itakiana fandraisana andraikitra sy paikady matotra ary mahomby amin’ny manampahefana isan’ ambaratongany ireo asa ratsy mamotika tokantrano sy fihavanana. Hany ka vahaolana vonjy taitra ny fidinana ifotony ataon’ny mpitandro ny filaminana, hatreto, ankoatra ny fiambenana na fisafoana, nefa tsy mahafoana ny asan-jiolahy.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici