Am-polony ny omby lasan’ny dahalo isaky ny misy fanafihana ato amin’ity disitrika ity. Na dia eo aza ny ezaka ataon’ny fanjakana amin’izao fotoana, dia tsapa ho sahirana ireo mpitandro ny filaminana aty an-toerana noho ny tsy fahampian’ny olona sy fitaovana hentina hamongorana ny asan-dahalo. Anisan’ny tena olana ihany koa ny faharatsian’ny làlana izay misy any amin’ireo kaominina ambanivohitra, ka manjaka tokana ihany koa ireo malaso amin’ity resaka asan-dahalo sy fanafihana ity. Ny tapa-bolana lasa teo izao, dia omby roapolo no lasan’ny dahalo tany amin’ny kaominina ambanivohitra Bemokotra sy ny tany ampitandrefan’Ikopa. Araka ny vaovao voarainay hatramin’ny fotoana nanoratanay ny lahatsoratra, dia mbola eo am-pelatanan’ireo jiolahy ny omby halatra. Marihina moa, fa tsy nisy naratra na namoy ny ainy nandritra ny fanafihana niseho tao amin’ireo toerana volaza etsy ambony ireo. Mitohy hatrany ny fanenjehana ataon’ny mpitandro ny filaminana sy ny fokonolona amin’izao fotoana izao.
Ratantely