- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversDisitrikan’i Maevatanàna: Sesilany ny fanafihan-dahalo, olona 20 maty voatifitra

Disitrikan’i Maevatanàna: Sesilany ny fanafihan-dahalo, olona 20 maty voatifitra

Tsy andro tsy alina, raha ny tati-baovao samihafa voaray, dia misavoritaka raha ny asan-dahalo nanao sesilany nanomboka ny volana Janoary teo mankaty, very fanahy mbola velona ny mponina ato amin’ny disitrikan’i Maevatanàna. Ary mampilaza mialoha hatrany na mandefa taratasy sy miantso an-telefaonina mialoha hatrany ireo malaso mitondra basy mahery vaika rehefa hanafika tanàna, izay tsy misalasala mamono, sahy mihantsy ady amin’ny mpitandro filaminana mihitsy ry zalahy, nefa dia misy miaramila Das sy vondron-tobim-pileovan’ny Zandarimaria ary kaomisarian’ny polisy any eto Maevatanàna. Ny Alarobia tamin’ny tapa-bolana lasa teo, nanomboka tamin’ny sivy ora sy sasany alina, no notafihan’ny jiolahy efa-dahy indray, ny tanànan’Ambodimadiro, ka nirefotra tsy nifandrenesana ny poa-basy. Naratra voatoto vody basy ilay rangahy tompon’ilay tranombarotra teo an-toerana, ka lasa nandritra izany ny vola sy ny sigara amin’ny baoritra maromaro, tetsy amin’ny fokontany Ambodimadiro, kaominina Maevatanàna voalohany no nisehoan’izany. Noho ny firongatry ny fanafihan-dahalo eto Maevatanàna an-tampon-tanàna, ny amin’ireo tanàna sy kaominina ambanivohitra manodidina hany sisa manana omby, dia fokonolona 20 raha ny fantatra no maty novonoin’ny dahalo hatramin’ny fiandohan’ity taona ity, ary omby mahery ny arivo no very.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici