- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversDisitrikan'i Tsaratanàna : Mpanolana maty voatifitra

Disitrikan’i Tsaratanàna : Mpanolana maty voatifitra

Tsy miandany amin’ny olona topon’andraikitra amin’ny fanolanana zaza folo taona sy vehivavy bevoka 32 taona ny zandary. Raha ny fampitam-baovao voaray hatrany, dia ny andron’ny alakamisy faha-27 jona 2024 teo, tokony tamin’ny fito ora sy sasany maraina no tonga nitondra fitarainana teny amin’ny biraon’ny zandary ao amin’ny borigady Tsaratanàna, makasika ny herisetra nahazo an’izy mianaka, Rahasoahanitra Niaina sy ny zanany folo taona antsoina hoe Dainah, ary nanambara ihany koa fa niharan’ny fanolanana noho ny fandrahonana antsy izy ireo. Raha hojerana tokoa ny zava-nitranga, dia ny andron’ny faha 19 jona taona 2024 teo, tokony tamin’ny enina ora sy sasany hariva no nisehoan’ny trangana fanolanana teny amin’ny toerana atao hoe Fasikabe, fokontan’Ambatomitsangana, kaominina an-drenivohitra Tsaratanàna. Lehilahy roa no voalaza ho nanao ny fanolanana tamin’izany andro izany. Taorian’io dia nentina namonjy tao amin’ny hôpitaly CHRD II ilay zazavavikely sy ny reniny mitondra vohaka, mba hojeren’ny mpitsabo sy hotsaboina. Tamin’izay indrindra anefa no hita sy voamarina fa nisy fahasimbana ilay ankizy, raha nisy fiatraikan’ny tamin-dramatoa mitondra vohaka ihany koa ny fanolanana nahazo azy ireo. Ny faha-27 jona taona 2024, tokony tamin’ny 11 ora atnoandro, rehefa nahare ny zava-niseho ny zandary, tonga dia niroso tamin’ny fisamborana azy roa lahy nahavanon-doza, ka ny anakiray ihany no tratra, izay fantatra amin’ny anarana hoe Zafindranaivo Albert, tokony ho telopolo taona eo, monina ao amin’ny fokontany Adambomaholy, kaominina ambanivohitra Betrandraka, any amin’ny disitrikan’i Tsaratanàna, ato anatin’ny faritra Betsiboka. Nandritra ny fanadihadiana natao taminy dia niaiky ny heloka vitany ity farany ary nanondro ny toeram-pialofan’ny namany. Tamin’io andro io, tokony tamin’ny enina hariva, dia niroso tamin’ny fitadiavana sy fisamborana ny namany ny mpitandro ny filaminana niaraka taminy, teny ampitan’ny fokontany Betioka. Efa somary maizina moa ny andro tamin’io, ka teo no nanaraotra nitsoaka ny lehilahy antsoina hoe Albert, sady nisambotra ny fitaovam-piadiana teny am-pelatanan’ny zandary iray, ary niantso ireo olon-dratsy namany tamin’ny feo mafy hiditra an-tsehatra hampiasa ny fitaovam-piadiana hifampitifitra amin’ny mpitandro ny filaminana. Teo no tsy niandry ela ny zandary, fa tonga dia niroso tamin’ny fitifirana avy hatrany. Vokany: maty tsy tra-drano Albert. Ny angom-baovao hatrany no nahalalana fa jiolahy malaza amin’ny resaka halatra omby any amin’ny disitrikan’i Tsaratanàna ity olona voarohirohy lasan-ko razana ity. Nandray ny fepetra tsy maintsy hadevenana an’i Albert tao amin’ny tanànan’Anosikely ny Zandary, eo am-piandrasana ny fiavian’ny fianakaviany. Mitohy hatrany ny fikarohana ny namany amin’izao trangana fanolanana izao.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici