- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversDisitrikan'i Tsaratanàna : Tsy nanadino ny fikambanam-behivavy Atoa Thony

Disitrikan’i Tsaratanàna : Tsy nanadino ny fikambanam-behivavy Atoa Thony

 » Ho fanatsarana ny fiainana ara-tsosialy ho an’ny vehivavy izay nanamarika ny andron’ny valo Marsa tany amin’ny disitrikan’i Tsaratanàna iray manontolo, dia nanome fanampiana ho azy ireo Atoa Thony Andriamalala ». Tsy nikely soroka amin’ny fifanomezan-tanana ny zokibe Ray aman-dreny amin’ny fanomezana: Lambahoany sy fanamina ambony na Tee-shirt aman’arivony maro hoan’ireo vehivavy rehetra, eny aza na dia ireo tsy anatin’ny fikambanam-behivavy any amin’iny faritra iny. Tsy vitan’izay ihany koa ny tolon-tanana sy fanomezana nataon’Atoa Thony, fa mbola nanolotra ara-bola hoan’ny kaomitin’ny valo Marsa mba noentina nakalazana ny andro iraisam-pirenana hoan’ny vehivavy no torak’izany ny tsy fanadinoana ireo zanaka am-pielezana any Mahajanga sy ny teto Maevatanàna. Ny tanjona amin’izao fifanampiana izao, dia ny hisitran’ireo vehivavy rehetra zanak’i Tsaratanàna ny fanomezana sy tsy ho hambakain’ny hafa amin’ny resaka aram-pitafiana sy nanao fety sambatra tahakan’ny vehivavy rehetra maneranan’i Nosy tamin’iny andro natokana ho azy ireo ny Zoma 08 Marsa lasa teo iny. Marihana fa efa fanaon’Atoa Thony ny fifanampiana tahak’izao any amin’ny disitrikan’i Tsaratanàna, ary tsy vao sambany izany. Tsy hijanona hatreo ny fijerena sy famahana ny olana any an-toerana fa hitohy hatrany na dia nataon’ny sasany an-kilabao aza ny any Tsaratanàna.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici