- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversDistrika Tsiroanomandidy : Ben’ny tanàna sy zandary voatifitra

Distrika Tsiroanomandidy : Ben’ny tanàna sy zandary voatifitra

Tao amin’ny tanàna iray antsoina hoe Tsinjorano no raikitra ny fifampitifirana. Izany dia taorian’ny nandroban’ny dahalo omby miisa 42 teo amin’ny toerana manodidina. Nanapa-kevitra ny Ben’ny tanàna ny nanampy ireo mpanara-dia. Nentiny ny fiara tsy mataho-dàlana ary nampiakariny tao ny zandary sy miaramila miisa efatra. Ny tanjon’izy ireo dia ny hanatratra ireo dahalo eo amin’ny kizo iray ao Tsinjorano ary eo no hanakanana azy. Vao tsy tonga tsara teo amin’ilay toerana anefa dia efa nisy nitifitra variraraka ilay fiara. Naratra avy hatrany ny zandary iray teo anoloana. Goakan’ny bala ihany koa ny fitaratr’ilay fiara ary divi-janahary no tsy nahafaty ilay olom-boafidy. Teo amin’ny tratrany no voa kanefa efa nalefaka ny fidonan’ny bala ka tsy niteraka fahavoazana firy, raha araka ny fitantarany. Nivoaka ireo mpitandro ny filaminana ary nifampitifitra tao anatin’ny haizina ny roa tonta. Nitsoaka ireo dahalo ary najanony ny omby izay nentin’ireo mpanara-dia niverina tao amin’ny tananany. Vetivety dia nahoraka ny zava-nisy ka na mbola tsy tonga tao an-tanàna aza ireo mpanara-dia, isan’izany ny Ben’ny tanàna sy ny mpitandro ny filaminana, dia efa lanonana nitsenana azy ireo ary dia lasa fety be tao an-tanàna. Faly ireo olona noho ny fandraisana andraikitra ataon’ny manam-pahefana. Mahakasika ny fifampitifirana kosa dia hita teo amin’ny fiara ny diam-bala valo izay niantefa taminy. Ny telo na efatra tamin’ireo dia teo amin’ny fitaratra anoloana avokoa no niditra ary raha tsy nahay niala ireo olona teo dia tany amin’ny lohany avy hatrany izany no voa. Midika izany fa tena mahay mampiasa basy sy mitifitra ny dahalo fa tsy araky ny fiheverana hatrizay hoe mitifitifitra fahatany fotsiny mba entina hampitahorana. Azo heverina mihitsy aza hoe nianatra mitifitra izy ireo raha ny diam-bala tamin’ilay fiara no dinihina…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici