- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversDistrikan’ Ambanja : Tafakatra 9 ny isan'ireo efa matin’ny pesta

Distrikan’ Ambanja : Tafakatra 9 ny isan’ireo efa matin’ny pesta

Mbola tsy voafehy mandraka  ankehitriny ny fiparitahan’ny valan’aretina pesta eto amintsika, ka miroaroa saina ny olom-pirenena noho ny fitavozavozana eo amin’ny fandraisana  andraikitra misy. Hatramin’ny alahady afak’omaly, olona 45 no namoy ny ainy ary 387 kosa no trangana pesta voaisan’ny ministeran’ny fahasalamana manerana ny nosy. Araka ny loharanom-baovao marim-pototra voaray dia tafakatra sivy amin’izao ny isan’ ireo efa matin’ny areti-mandoza pesta any amin’ny Distrikan’ Ambanja, Faritra Diana. Olona telo kosa nahitana trangana « peste pulmonaire » tao amin’ny Faritra Matsiatra Ambony : 1 Ambohimahasoa, 1 Isaha Fianaranatsoa, ary 1 Alakamisy Ambohimaha, izay tovovavy kely 14 taona, ary efa manaraka fitsaboana amin’izao fotoana izao ity farany. Manoloana ny fiparitahan’ny pesta any amin’ny kaominina Alakamisy Ambohimaha, dia tsy mianatra ny mpianatra rehetra nanomboka omaly alatsinainy 9 oktobra ka hatramin’ny zoma 13 oktobra ho avy izao, ka samy mandray ny andraikiny famendrahana fanafody ny sekoly ny talen-tsekoly tsirairay ho fiarovana ireo mpianatra, hoy ny avy ao amin’ny Foibem-paritry ny Fanabeazam-pirenena Fianarantsoa.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici