- Publicité SW45 -
mercredi, juillet 3, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversDistrikan’i Bekily : Tafakatra an-jatony ny matin’ny kere

Distrikan’i Bekily : Tafakatra an-jatony ny matin’ny kere

Fokontany maromaro amin’ny kaominina efatra any amin’ny distrikan’i Bekily, faritra Androy, anisan’izany ny kaominina Maroviry, no ianjandian’ny mosary (kere) amin’izao. Tafakatra an-jatony ny olona matin’ny hanohanana vokatry ny hain-tany misy any an-toerana amin’izao, hoy ny loharanom-baovao voaray. Very hevitra tanteraka ny mponina, izay miaina ao anaty tsy fisian-drano sy sakafo vokatry ny tsy fisian’orana, noho ny doro tanety sy ny fanimbana ny ala mahazo laka any Atsimo.

Mirongatra ny aretin-kibo. Vokatr’izany, ratsy ny vokatry ny fambolena tamin’ny herintaona sy tamin’ity taona ity, ka niteraka izao tsy fisian-tsakafo izao. Teo aloha teo, raha ny fampitam-baovao avy any Bekily, dia voankazo manga no natao sakafo, ritra izany ankehitriny. Ny rano fisotro maloto, mirongatra ny aretin-kibo. Ahiana ho ripaky ny hain-tany ihany koa ny biby fiompy. Betsaka amin’ireo mponina any an-toerana no lasa mifindra monina tsy fidiny aty an-drenivohitra sy any Toliara, sy an-toeran-kafa, manavotra aina, raha ny tati-baovao azo hatrany. Saika isan-taona dia itrangan’ny kere foana any amin’ny tapany atsimon’ny nosy iny, ka mila fandraisana andraikitra matotra avy amin’ny fanjakana amin’izay, hoy ny tolokon’ireo vahoaka any an-toerana.

 Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser