jeudi, mai 22, 2025
AccueilFaits-DiversDistrikan’i Betafo : Mirongatra ny vaky fasana, taolam-paty 3 gony ...

Distrikan’i Betafo : Mirongatra ny vaky fasana, taolam-paty 3 gony hitan’ny mpandalo

Raha somary nangingina ny resaka halatra taolam-pato tato ho ato, dia nahazo vahana kosa izany ao amin’ny distrikan’i Betafo. Anjakan’ny mpamaky fasana ny kaominina Mahaiza, Soavina, sy ao Betafo. Taolam-paty telo gony mantsy no nisy nahita  tao anaty kirihitra, tao amin’ny kaominina Antokofoana, ny faran’ny herinandro teo.

Taorian’ny fampandrenesana , tonga tany an-toerana ny polisy avy ao Betafo nanao ny fizahana, rehefa nosokafana ny kitapo, taolan-dava 195 no tao anatin’ilay gony. Marihana fa, toy ny tranga efa nisy teo aloha dia  ny taolan-dava ihany no alain’ireo mpamaky fasana. Ny tena mampihoron-koditra, nahitana taolana mbola mando niaraka tamin’ireo taolana hita ireo. Raha tombanana hoy ny fanazavana, dia razana vao nalevina tsy mihoatra ny iray volana no nakana io taolana io. Voamarina ihany koa fa nisy lambamena mbola niraikitra tamin’ilay taolana. Fantatra anefa fa nisy fasana vaky tao Ambalamarina,   kaominina Mahaiza ary nisy razana voaendaka mitovy lambamena  tamin’ilay taolam-paty, ka tombanana ho isan’ireo fasana nakana ireto taolan-dava ireto izany io fasana vaky io.

Efa misokatra ny fanadihadiana ary mbola mitohy izany ankehitriny, hoy ny kaomisera Seraly Hercule, nanamafy ny fiaraha-miasa amin’ny fokonolona hatrany ity farany ary nanentana ny vahoaka sy izay manana fanampim-baovao hanatona ny toby akaiky azy, fa hotazonina ho tsiambaretelo ny fanomezana  izany.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser