Tao Fenerivo atsinanana tampon-tanana no nanaovana ny lanonana fametrahana samboady ireo ben’ny Tanana vaovao tao amin’ny distrikan’i Fenerivo atsinanana ny sabotsy 01 febroary misandratr’andro teo. Ben’ny Tanana 13 no nametrahana ny samboady ny sabotsy io raha mbola mifanolana eny amin’ny fitsarana fandravana ny filan-kevim-panjakana ireo ben’ny Tanana roa lahy mitarika avy ao Betampona. Tamin’ny lahateniny avy dia nanainga ny fiaraha-miasan’ireo ben’ny Tanana vaovao amin’ny fanjakana ireo solon-tenam-panjakana niatrika sy nitarika izany. Nambaran’izy ireo ihany koa fa vonona amin’ny fanampiana ireo kaominina manerana ny nosy ny fanjakana, mba hanatsarana ireo foto-drafitrasa samihafa. Nampiseho fahavonona ny fiaraha-miasa angatahan’ny fanjakana amin’izy ireo koa ireo ben’ny Tanana araka ny nambaran’ny solon-tenany ben’ny Tanana avy ao Fenerivo atsinanana Manirisoraly Stewen na i Moustapha no alalan’ny olona azy.
Malala Didier