- Publicité SW45 -
jeudi, janvier 16, 2025
AccueilFaits-DiversDistrikan’i Mananara Avaratra sy Maroantsetra : Notsidihan’ny Govenora ny faritra Analanjirofo

Distrikan’i Mananara Avaratra sy Maroantsetra : Notsidihan’ny Govenora ny faritra Analanjirofo

Nisy ny fotoana efa nangataka hatao faritra manokana, antsoina hoe“Ambatosoa”, ny tao Mananara avaratra sy ny tao Maroantsetra, noho izy lavitra andriana sy tsy hitan’ny faritra Analanjirofo mihintsy ny fampandrosoana azy aminy. Niova tanteraka anefa ny zava-misy ankehitriny, ka tsy voaresaka intsony ilay faritra vaovao saika nangatahan’izy ireo tamin’ny fanjakana. Nanao fitsidihana tany ny Governora ny faritra Analanjirofo, Dr Randriamanantena Marcellin, ny herinandro nivalona teo iny, ka tamin’izany no nahitan’ny governora ny haratsian-dalana iainan’ny mponina an-davanandro mampiasa ny lalam-pirenena faha-05 iny. Voaresaka tamin’izao dian’ny Governora nihazo an’i Mananara avaratra sy Maroantsetra izao ny momba ilay tetikasa “Vavasaha 2025”, izay tetikasa fambolena zava-maniry “Patchouli” ilay zava-maniry fakana menaka fampiasa amin’ny fanamboarana ranomanitra avo lenta any am-pitan-dranomasina any. Efa manomboka ny fanofanana ireo tanora amin’ny fambolena sy ny fikarakarana azy ao Antanambaobe, saria tena betsaka mpitady sy lafo vidy ity menaka “patchouli” ity ankehitriny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Voalaza fa ravina “patchouli” 100kgs dia ahazoana menaka 02litatra, izay mahatratra 200.000 ariary ny litatra aminy. In-03 mioty ny ravina “patchouli” isan-taona raha ny fanazavan’ireo mpampihofana ary efa 03ha no voavoli izany zava-maniry izany izao. Ankilan’izany dia misy koa ny fanamboaran-dalana “pavé” amboarina ao an-tampon-tanana ny Mananara avaratra. Mirefy 900m ny fanamboaran-dalana ao amin’ny fokontany Androkaroka izay ho vitaina alohan’ny faran’ny taona 2020 izao ny asa. Lalana “pavé” mirefy 500m kosa no hatao ao Maroantsetra ao amin’ny fokontany Ambatomasina. Tsy adinony governora koa nijery ny momba ny lavanilina, nefa manondrana lavanilina 70t isan-taona ao amin’ny kaminina Ambodimanga isan’ireo kaominina tena mpamokatra lavanilina ao Maroantsetra. Ny olana ankehitriny dia ny fisiana aretina amin’ireo lavanilina ao Mananara avaratra sy ao Maroantsetra. Vokany potika tanteraka ireo fototra lavanilina maro any an-toerana. Nijery ny vahaolana mikasika izany ny Governora, na mbola tsy fantatra ny aretina sy ny fanafody mifandraika amin’izany. Nomarihan’ny Governora fa tsy hita ny fototry ny aretina, ary tsy maintsy ho hita koa ny fanafody mifandraika amin’izany aretin’ny lavanilina izany. Na izany tamin’ny fotoam-pisokany taom-pihotazana ny 15 septembre teo dia 45.000ariary hatramin’ny 80.000 ariary ny kilaon’ny lavanilina maintso; mahatratra 300.000 ariary hatramin’ny 650.000 ariary kosa ny lavanilina masaka.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici