Voasazy handoa omby roa tamin’ireo fianakaviana nompainy “razana” tao anaty “facebook” ity tovovavy iray 24 taona monina ao Mananara avaratra. Ny tangalamena no nitaky izany tamin’ity tovovavy nanompa ity, ho “fafirazana” fanao raha misy toe-javatra toy izao. Raha ny angom-baovao dia nisy ny famoahana tao amin’ny tambajotra sosialy “facebook” nataon’ity tovovavy 24 taona izay nanompa an’ireo olona tao Mananara avaratra.
Vokany tohina sy tezitra tamin’izany ireo olona tao Mananara avaratra, ka namoaka ny heviny tamin’izany ireo tangalamena sy ireo ray aman-dreny tao Mananara avaratra, ka nitory ity tovovavy teny amin’ny zandary noho ilay ompa “razana” nataony. Ny alarobia 28 jolay teo no voasambotra ilay tovovavy 24 taona vokatry ny fitoriana napetraka tamin’ny zandary tany an-toerana. Tsy nanaiky mora noho io ompa “razana” tsy nety nataony io ireo tangalamena sy ireo ray aman-dreny an-tanana noho ny fiarahamonina mbola tiana hitohy, ka nanasazy ity tovovavy ity handoa omby roa amin’ireo hanaovana ny fomban-drazana ho fanadiovana ny ompa nataony. Nijanona teo ny sazy fandoavana omby no azon’ity tovovavy ity fa tsy nisy ny fiakarany fitsarana tamin’izao raharaha izao.
Hanatra ho an’ny rehetra koa ny tranga niseho satria na malalaka aza ny fampiasana ny tamban-jotran-tserasera “facebook” dia misy ihany ny lalana mifehy amin’ny fampiasana azy, hoy ny zandary nisahana ny raharaha. Mila lanjalanjaina ny fomba fiteny amin’ireny tamban-jotran-tserasera ireny fa entin’ny fo tezitra fotsiny ka miteniteny foana.
Malala Didier