Nafotaka omaly naraina, tokony ho tamin’ny sivy ora, niala kelin’ny tanànan’i Manja, ny fifandonana teo amin’ny zandary sy fokonolona nanara-dia sy ireo dahalo marobe nirongo basy. Vokatry ny fifampitifirana teo amin’ny roa tonta dia zandary iray sy olona telo mpanara-dia no maty lavon’ny balan’ny malaso. Tsy voafaritra kosa hatreto, raha ny vaovao voaray, ny isan’ny omby very lasan’ireo dahalo.
Raha ny fanazavan’ny depiote Lucien Rakotomalala, voafidy tao amin’ny distrikan’i Morombe, nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly tolakandro, dia saika maty tamin’ity fanafihan-dahalo mahery vaika ity ny zandriny. Nanaitra ny sain’ny mpitondra fanjakana ity solombavambahoakan’i Madagasikara ity mba handray andraikitra amin’izay, fa mirarakopana loatra ny olona tsy manan-tsiny maty noho ny asan-dahalo. Nangataka Ingahy Depiote mba hanomezana fitaovana raitra faran’izay haingana ireo mpitandro filaminana amin’ireo faritra anjakan’ny asan-dahalo hiverenan’ny fahalemana.
Eric Manitrisa