Nitory ity mpihazona “cash point” iray tao Tanambao V misy azy ity tompona “cash point” iray ity, fa nanodikodina vola 16.000.000 ariary teo anivon’ilay “cash point” nohazoniny. Namoahana fikarohana noho izany fanodikodinana ara-bola izany ny mpitandro filaminana eto Toamasina, satria araka ny vaovao dia nentina nitsoaka ilay vola ka nahatonga izao fikarohana izao. Nambaran’izy ireo fa izay olona manam-baovao mikasika izany mba hiantso antarobia ireto mpitandro filaminana manao ny fikarohana sy ny mpanao fitoriana. Ankoatra izany dia nilaza ny tompon’ilay kioska fanakolazam-bola amin’ny alalan’ny finday, fa afaka miantso azy ihany koa ireo olona manam-baovao mikasika ity olona nangalatra vola ity.
Malala Didier