Nihetsika ny mpanao politika teto Toamasina ny faran’ny herinandro teo. Ny sabotsy teo dia ny tao amin’ny firaisam-ben’ny 10 kandida (collectif des 10 candidats) no nanao hetsika, ka teny Mangarivotra fiangonana katolika masindahy Paoly ny fotoana nandritra izany. Nanomboka tamin’ny 01ora ny fotoana saingy fotoana fohy taoriana izay raha mbola vitsy ireo olona tonga, dia naparitakin’ny mpitandro filaminana mitambatra izy ireo ka niparitaka teo amin’ny manodidina fotsiny niandriandry. Tamin’ny 02ora dia niala teny Mangarivotra ireo mpanara-dia ny 10 kandida Toamasina, ka nihazo an’Ankirihiry ny lalan’izy ireo. Ireo mpitandro filaminana kosa 30min taoriana nialan’ireo mpanara-dia ny kandida vao niala teny Mangarivotra izy ireo. Vokatra izany dia tsy raikitra ilay filaharam-be nokasain’ireo mpanara-dia ny 10 kandida natao teto Toamasina. Ankoatra izay dia ny alahady kosa nihaona tamin’ny mpanara-dia azy antoko Tgv ka teny amoron-dranomasina ny fihaonana. Niainga tamin’ny diaben’ny mpanara-dia ny hetsika ka tamin’ny 05ora tany ho any dia tonga ny mpitarika ary raikitra ny kabary. Diso fanantenana anefa ireo olona tonga satria nanantena ny fahatongavan’ny kandida laharana faha-03 izy ireo, nefa tsy tonga izy ka maro ireo olona no nody nandritra izany. Na izany raikitra ihany ny kabary samy hafa izay nanentan’izy ireo mba hifidianana ny kandida laharana faha-03, ary nanome fotoana an’i Mahanoro izy ireo taorian’i Toamasina izao.
Malala Didier